<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Mba jereo ny Zanakondry
 Voahombo sady ory,
 Nefa Tompo masina.
 He ! ny Rainay tsy namaly,
 Raha ny Zanany nijaly
 Tamim-panaintainana.

[V2]
 He ! ny Marina nijaly !
 Mba hahaizako mifaly,
 Izay no niaretany.
 O ! ry foko, mangovita,
 Manatòna mba hahita
 Ny fahafatesany !

[V3]
 Eny, ry Mpamonjy tsara
 Mba meteza hanambara
 Ny harem-pitiavanao ;
 Dia hafanao ny foko.
 Mba hahaizako hanompo
 Sy hanaraka Anao !

[V4]
 Aoka aho hitomany,
 Raha mihevitra izany
 Fahoriana nentinao.
 Azoko ny famonjena ;
 O ! ry foko, manenena
 Noho ny ratsy vitanao !

[V5]
 Tompo, manampia ahy,
 Mba harisika am-panahy,
 Hanompoako Anao
 Raha mbola atý an-tany
 Aza afoy fa mba tohany
 Tsy hisaraka aminao !</lyrics>
<title>Mba jereo ny zanakondry FFPM118</title>
<hymn_number>118</hymn_number>
<author>H.O.C. Zinck</author>
</song>